4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako ianao - Nada Band



Hiombo-pitia aminao aho

Raha toa sitrakao

Hisedra sy hamakivaky

Izao fiainana izao

Raha toa ka ianao

No hitantana ny diako

Ho sambatra tokoa

Ny tokantranoko

Ny fahoriana

Ho zary hafaliana



Ho tsiniko ve

Raha toa hanambara

Ny fikasako anao

Mba ho anjara

Izany no faniriako

Tsy ho afaka an-tsaiko

Ny endrikao

Ary koa eny tiako

Ho ahy ho doria



Ireo zanatsika rehefa rahatrizay

Mbola hanamafy ny fitiavantsika indray

Ianao sy izy ireo no ravakin’ny tokatranoko

Ho saribakoliko ho filalaovako

Hanafaka  tokoa ny sorisoriko





‘Zany hafaliako raha tanterak’izany

Tsy hisy iriako intsony eto an-tany

Ho tonga lafatra ny hasambarana

Satria ianao ilay nofidiako sy efa tiako

No miaraka amiko



Ho tsiniko ve…

Partager tiako ianao

Commenter tiako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nada Band